Anosy: Nidoboka Antanimora i Erlie sy Arnaud

  • mardi, 04 décembre 2018 17:07
  • Tigre

Taorian'ny fanadihadiana nataon'ny Mpitsara mpanao famotorana dia tazonina vonjy maika eny Antanimora izy mirahalahy nilako ilay Avocat teny Antanimena, miandry ny fitsarana azy ireo.

Nisy mpisolovava 2 ihany niezaka niaro azy miralahy ary efa nametraka fangatahana manokana ahafahana manenjika ilay Avocat izay notorian'i Erlie sy Arnaud ho nikasa hamono andreo.

Amin'ny raharaha toy itony manko dia mila fahazoan-dalana manokana ny ahafahana manenjika mpisolovava, noho ny fiarovan'ny lalàna azy.

Ho hita eo izany ny fivoaran'ity raharaha ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.