Sidina Tana-Sambava: Niverin-dalana tampoka teny ampanidinana ny fiaramanidin'ny TSARADIA

  • lundi, 03 décembre 2018 22:55
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Sambava

Tranga tsy fahita firy no niseho omaly alahady 02 desambra 2018, tamin’ny sidina anabakabaka an'ny kaompania Tsaradia Antananarivo-Sambava, tamin'ny 11ora sy 30minitra teo.

Vao 600 metatra fotsiny no vita raha vao nikisaka kely hanao "décollage" ity fiaramanidina ity dia efa tsy afaka ka voatery nosintonina teny amin’ny "piste".

Taorian'ny fanamboarana natao dia niainga indray fa teo amin’ny adiny iray niakarana teny ambony habakabaka teny dia niverin-dalana tampoka maika indray araka ny toromariky ny mpanamory, ka niteraka horohoro tsy nisy toa izany tamin’ireo mpandeha.

Isan'ireo mpandeha niaina izany i Mamangy Norbert izay solombavam-bahoaka voafidy teto Sambava.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.