Toamasina: Tonga eto Madagasikara i Jean Eddy Maminirina

  • vendredi, 30 novembre 2018 19:44
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Nisy ny fitsenana makotroka azy tao Ambalamanasy omaly alakamisy, taorian'izay nisy ny fihaonany tamin'ireo mpikamban'ny MAMI na Malagasy Mifankatia efa najorony teo aloha ihany.

Hisy ny fihaonam-be ataon'izy ireo eny amoron-dranomasina rahampitso sabotsy, handray anjara ao ny mpikambana avy ao Menabe sy Alaotra-Mangoro ary Atsinanana.

"Tonga an-tanindrazana aho fa hanompana ny fiainako amin'ny asa sosialy sy ny asam-pikambanana MAMI", hoy i Jean Eddy Maminirina tao amin'ny La Famillle Salazamay tamin'io fihaonana tamin'ny mpikambana ny MAMI io.

Nitsabo tena tany ivelany noho ny aretina nahazo azy araka ny nambarany no nialany teto Madagasikara an-taonany vitsy izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.