Anjozorobe: Takalonaina telo avotry ny Tafika

  • jeudi, 29 novembre 2018 13:35
  • Britto

Nitrangana asan-dahalo mitam-basy tao amin'ny Kaominina Marotsipoy ny herinandro lasa iny. Omby miisa 210 no lasan'ireo dahalo, naka takalonaina efa-mianaka izy ireo niaraka tamin'izay.

Nanao fanarahan-dia ny Fokonolona sy ny Miaramila avy amin'ny DAS (Détachement Autonome de Sécurité). Tafaverina ireo omby fa nentin'ireo dahalo nanaraka azy kosa ireo takalonaina.

Niantso tohana sy.fanomezan-tanana ireo miaramilan'ny DAS. Niditra an-tsehatra nanampy ny namany ny Tafika manao fampandriantany, anatin'ny "opération Manda 2018".

Avotra ny marainan'ny talata teo ny telo tamin'ireo takalonaina, maty notifirin'ny dahalo ny fahaefatra izay efa zokiolona. Dahalo enin-dahy azo sambo-belona ary efa natolotra ny.Fitsarana. Mitohy ny fikarohana ireo namany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.