Roland Ratsiraka: Haka sasatra ara-politika

  • mardi, 27 novembre 2018 22:24
  • Tigre

Nandritra ny fihaonan'ity kandida laharana faha-33 tamin'ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, natao ny 7 novambra ity, tamin'ireo mpiara-dia aminy eo anivon'ny antoko Malagasy Tonga Saina (MTS) ny alarobia 21 novambra, tao an-tranony teto Toamasina no nanambarany fa hiala sasatra amin'ny fanaovana politika ny tenany taorian'ny vokatra azony.

Nangataka azy mba hiverenany ifotony amin'ny fanamafisana ny antoko MTS sy amin'ny fifidianana ifotony kosa ireo mpomba azy.

Niantso ny kandida Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, nahazo vato be indrindra tamin'iny fifidianana teo iny, i Roland Ratsiraka mba tsy hitarika ny mpomba azy ireo avy hanohitra ny voka-pifidianana izay hivoaka eo, fa hanaiky ny valim-pifidianana, ary mivonona sy hifanaja mandritra ny fihodinana faharoa.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.