Maroantsetra: Nandoro tena tamin’ny lasantsy, niara-maty izy mianaka

  • mardi, 27 novembre 2018 15:06
  • Tigre

Disadisan’ny mpivady no nitarika ho amin’izao famonoan-tena izao. Nisaraka izy roa. Niezaka namerina an-dramatoa rangahy vadiny saingy tsy nety itsy voalohany. Nentin’ny famoizam-po rangahy ka nofaohiny nanaraka azy ny zazalahikely, 4 taona, zanak’izy roa.

Nandeha tamin’ny toerana mangingina, tanimbary, izy mianaka. Notondrahan-drangahy lasantsy, efa nomaniny, ny vatany sy ny an’ilay zaza avy eo dia nandoro tena fa izay no vahaolana hitany farany. Maty tsy tra-drano izy mianaka.

Tao Ambohidadabo, Kaominina Ankofa, Distrikan’i Maroantsetra no nisehoan’ity tranga ity omaly alatsinainy 26 novambra tokony tamin’ny valo ora maraina.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.