Toamasina: Avotra teo ampelan-tanan'ireo mpaka ankeriny i Armane Kamis

  • lundi, 26 novembre 2018 19:34
  • Britto

Afaka tamin'ny 3ora sy sasany tolakandro teo ilay karana mpandraharaha, tompon'ny Transfy, Armane Kamis.

Hetsika nataon'ny Zandary 40 lahy tao Tsararivotra akaiky ny Cité Trano Mora mifanila amin'ny Camp Génie Militaire no nanavotana teo ampelan-tanan'ireo mpaka ankeriny azy.

Nisy jiolahy iray voasambotra niaraka tamin'ny basy kalachnikov iray sy chargeur 04 feno.

Mbola mitohy ny savahao ataon'ny Zandary ikarohana ny naman'ireo mpaka ankeriny.

Tamin'ny alarobia 21 novambra, tolakandro, nisy jiolahy dimy mitam-basy nitondra fiara Peugeot 309 naka ankeriny an'i Armane Kamis tao amin'ny biraony eo Ampasimazava. Fiara Touareg vaovao, an'ity farany no nitondran'izy ireo azy nitsoaka.

Vao nandre ny tranga ny teo anivon'ny Zandary dia nanetsika ny olony, nametraka sakana. Najanon'ireo jiolahy teo Tsarakofafa ny harivan'io alarobia io ihany ilay fiara Touareg. Nitohy ny fikarohana nataon'ny Zandary notarihin'ny kaomandin'ny Vondrotobim-paritra Atsinanana, kolonely Ranaivoson Théodule, dia izao niafara tamin'ny fanavotana teo ampelan-tanan'ireo mpaka ankeriny an'i Armane Kamis izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.