Ranomasina mainty: Nodonainan'ny Rosianina ny sambo Okrenianina

  • lundi, 26 novembre 2018 14:31
  • Tigre
  • Sary nindramina

Niditra ny fari-dranomasina rosianina ny sambo mpiady okrenianina, tsy nihambahama ny rosianina nitifitra tamin'ny basy mavesatra marovava ary nohazoniny ny sambo mpiady telon'ny Okrenianina. Nisy 2 ny tatsambo okrenianina naratra mafy.

Nilaza ny fitondrana Okrenianina fa hanao loi martiale, izay manome fahefana ny mpitondra amaly na anafika ny rosianina raha ilaina.

Ny Rosianina etsy ankilany nilaza fa manao asan-dahalo an-dranomasina ao amin'ny fari-dranomasina rosianina ireto sambo ireto.

Ny détroit de Kertch, nitrangan'ny fifandonana moa no vavahady tokana miditra ny ranomasina mainty, mampifandray ny Rosianina sy ny Okrenianina.

Hivory maika ny filankevitry ny fandriam-pahaleman'ny ONU.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.