Morondava: Voasambotra i Borife mpanao « kidnapping »

  • vendredi, 23 novembre 2018 14:35
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Morondava

Tsy navotsotry ry Borife ireo olona nalain’izy ireo an-keriny raha tsy nahazoan’izy ireo 2 tapitrisa Ariary.

Telo mianaka, ka vehivavy mitondra vohoka ny iray ary zaza tsy ampy taona ny iray, no niarahan’ny fira ambany, araka ny fomba filaza ny kidnapping aty Menabe, tao amin’ny Kaominina Tsimazava ny 15 novambra 2018. 20 tapitrisa Ariary no notakian’ireo mpaka ankeriny ho tambin’ny famotsorana azy ireo. Nisy ny fifampiraharahana, naharitra 10 andro, ka tafidina 2 tapitrisa Ariary ary navotsotr’izy ireo izy telo mianaka.

Tsy nipetra-potsiny ny mpitandro ny filaminana, manao fampandriantany amin’iny faritra Menabe, indrindra tany amin’ny manodidina an’i Malaimbandy izay nalaza tamin’ity fira ambany ity. Nahitam-bokany izany, satria voasambotra tany Belo Tsiribihina i Borife izay isan’ny tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny an’izy telo mianaka ireto. Misy namany hafa efa voasambotra ihany koa, ary mbola mitohy ny fandravana ireto tambazotra mpanao ity fira ambany aty Menabe ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.