Japon: Nitarina 10 andro ny fihazonana an'i Carlos Ghosn DG Renault - Nissan - Mitsubishi

  • jeudi, 22 novembre 2018 14:58
  • Tigre
  • KANAME YONEYAMA / YOMIURI / AFP

Vao nidina ny fiaramanidina nitondra azy tao Japon ity Tale jeneralin'ny Ozinina mpanamboatra fiarakodia ity, no notsenain'i polisy japonais.

Avy hatrany dia notazonina hanaovana fanadihadiana momba ny tsy fandoavana hetra tamin'ny 37 millions d'euro karamany. Misy ihany koa ahiahy amin'ny fanararaotana ny volan'ny orin'asa tamin'ny fividianana trano tany France, Pays-Bas, Rio de Janeiro Brésil, Beyrouth Liban nefa tsy ampiasain'ny orin'asa fa ampiasainy manokana.

Mivory ny orinasa Nissan handray fanapahan-kevitra momba ity Tale jenaraly izay nanavotra ny orinasa ity nandritra ireny rivo-doza ara-bola nahazo ny mpanamboatra fiarakodia ireny.

Photo: Carlos Ghosn est détenu à la prison de Katsushika, au nord de Tokyo. (KANAME YONEYAMA / YOMIURI / AFP)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.