Aéroport Antalaha: Fito volana tsy nahazo karama ny mpiasa

  • mercredi, 21 novembre 2018 12:28
  • Britto
  • Sary nomena

Ifanilihan'ny Harold Aéroport sy ny ADEMA ary ACM ny fandoavana ny karaman'ireo mpiasa, izay miasa mafy mamelona ity seranam-piaramanidina ity. "Tonga anefa izao ny fidiran'ny mpianatra, izahay tsy misy vola", hoy ny tarainan'ireo mpiasa.

Tsy misy sidin'ny Air Madagascar aty fa fiaramanidina an'ny kaompania tsy miankina no mpivezivezy eto, ary andro iray ihany no tsy misy sidina ao anatin'ny herinandro.

Manaitra ny tompon'andraikitra ny mpiasa mba hijery akaiky ny mahazo azy ireo. "Raha tsy homena karama ato anatin'ny 72 ora izahay dia hiroso amin'ny fitokonana", hoy izy ireo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.