Fitsarana Avo: Filoham-pirenena roa sy lehiben'ny Andrimpanjakana iray anokafana fanadihadiana

  • mercredi, 21 novembre 2018 11:56
  • Britto

Nampahafantatra izany eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny lehiben'ny Fampanoavana eo anivon'ny Fitsarana Tampony, mba hananganana vaomiera mpanadihady araka ny voalazan'ny lalàna.

Tsy maintsy ahitana ny solontenan'ireo Vondrona parlemantera miisa 11 eny Tsimbazaza ireo vaomiera hajoro ireo, izay tsy hitsara fa hanadihady raha azo raisina ka mitohy ny fanenjehana ireo voampanga.

Eo ampelan-tanan'ireo depiote ny tohiny. Raha mandà ireto farany dia midaboka eo ny raharaha, raha mankato dia miroso ny fanenjehana sy ny fanasaziana, manomboka amin'ny fampitsaharana amin'ny asa (déchéance) raha filoham-pirenena.

Andry Nirina Rajoelina, Filohan'ny Tetezamita teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, Filoham-pirenena teo aloha, ary ny Praiminisitra teo aloha Olivier Mahafaly no voakasik'ity fangatahana fanadihadiana ataon'ny Fitsarana Avo ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.