Marc Tatandraza: Nosamborin'ny Zandary teto Mahajanga ny hariva teo

  • jeudi, 15 novembre 2018 20:04
  • Britto

Niseho indray rehefa tsy hita ary nokarohina nandritra ny volana maromaro i Marc Tatandraza. Niakatra nivahiny tamin'ny fahitalavitra tsy miankina teto an-toerana ity farany omaly ary nanao fandaharana manokana mihitsy nitantarana abobo sy rediredy.

Androany hariva dia, niverina tao amin'ilay fahitalavitra indray ka nandrasan'ireo Zandary fotsiny ny fivoahany tao ary teo no nisamborana azy.

Tsy notanana intsony teny amin'ny biraon'ny Zandary fa nalefa avy hatrany any Ambovombe Androy i Tatandraza ny hariva teo ihany, ny Fitsarana any an-toerana no misahana ny fanenjehana azy.

Raha ny antotan-taratasy avy amin'ny Fitsarana mikasika azy, hala-jaza no anenjehana an'i Tatandraza sy ny ekipany ary sazy fito taona an-trano maizina miampy lamandy no miandry azy.

Raha nanontanian'ny mpanao gazety i Tatandraza nandritra ny fandaharana manokana dia nilaza fa avy nitsangana tamin'ny maty ary tsy matahotra ny ho enjehina satria ny fanjakana nanenjika azy efa rava.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.