Ankadimbahoaka: Mpiasa aman'arivony manahy ho very asa

  • mercredi, 14 novembre 2018 17:26
  • Britto

Mitebiteby ireo mpiasan'ny orinasa afakaba mpanao akanjo OCM eny amin'ny Zone Filatex Ankadimbahoaka, Antananarivo IV, izay nirehitra ny alin'ny alatsinainy 12 novambra 2018. May kila hotohoto nandritra izany ny milina, akora, lamba ary namoizana ain'olona iray.

Tonga teny an-toerana ny mpiasa omaly talata nefa nalefa nody.

Tsy mbola nanao fanambarana ny mpampiasa taorian'io fahamaizana io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.