Mahajanga: Tanterahina anio ny fandevenana an'i Mgr Rakotondrajao Victor Solo

  • vendredi, 09 novembre 2018 14:03
  • Britto

Hisy ny lamesa fanankinana hatao ao amin'ny Katedraly Mahajanga Be anio tolakandro mialoha ny hanitrihana ny vatana mangatsiakany ao ihany.

Nodimandry ny sabotsy 3 novambra tao Antananarivo teo amin'ny faha-58 taonany i Mgr Rakotondrajao Victor Solo.

28 taona naha mpisorona masina izy, 10 taona naha Eveka.

Mgr Rakotondrajao Victor Solo no Eveka faha-5 nitantana ny Diosezin'i Mahajanga, ary Eveka faha-2 milevina ao amin'ny Katedraly, izay toerana niasany farany sady efa hafatra napetrany fahavelona na avy ao amin'ny Diosezin'i Miarinarivo aza no fiaviany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.