Mahajanga: Zaza tsy ampy taona namono nahafaty mpianatry ny Oniversite

  • lundi, 05 novembre 2018 14:42
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Voasambotry ny Polisy ireo efa-dahy tompon'antoka nahavanon-doza ary nandray anjara mivantana tamin'ny famonoana ilay tovolahy mpianatry ny oniversiten'i Mahajanga teny amin'ny bloc administratif Ampisikina ny 21 oktobra lasa teo.

Raha tsiahivina ny zava-nisy, ny harivan'io 21 oktobra io, dia niaraka nanao connexion internet avy amin'ny Wifi an'ny sampandraharaha iray ao amin'ny Bloc i Jimmy sy ny namany no nisy enin-dahy (6) nanendaka ny findainy ary nanindrona antsy azy, izay nitarika tamin'ny fahafatesany.

Tsy mbola ampy taona ny roa lahy amin'ireto jiolahy ireto.

Voasambotra amin'izao raharaha izao ihany koa ny ramatoa roa nampiantrano sy nanafina ary nampitsoaka ireto jiolahy ireto.

Natolotra ny Fampanoavana ny maraina teo izy 6 mianaka.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.