Mgr Rakotondrajao Victor Solo: Halevina ao amin'ny Katedraly Mahajanga amin'ny zoma tolakandro

  • lundi, 05 novembre 2018 14:19
  • Britto
  • Sary nindramina

Androany maraina no niala teto Antananarivo ny.nofo mangatsiakan'i Evekan'i Mahajanga Mgr Rakotondrajao Victor Solo, taorian'ny Sorona Masina fanaovam-belona sy ho fialantsasatry ny Fanahiny tao amin'ny Ekar Antanimena-Antananarivo.

Ny zoma 9 novambra tolakandro no hanaovana ny fandevenana azy ao amin'ny Katedraly Mahajanga.

Nodimandry ny sabotsy 3 novambra teto Antananarivo, teo amin'ny faha-58 taonany i Mgr Rakotondrajao Victor Solo, rehefa notsaboina tao amin'ny Clinique des sœurs Ankadifotsy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.