Kitra: Baraingo ny fifidianana filohan'ny Federasiona

  • lundi, 05 novembre 2018 09:31
  • Britto

Namoaka fanambarana ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra tamin'ny alalan'ny filohany, Randriamiasasoa Doda, fa tsy afaka tanterahana amin'ity alatsinainy 5 novambra ity ny fifidianana filohan'ny Federasiona (FMF). Hivory anio ny "Comité exécutif" hamaritra ny daty hanatontosana io fifidianana io.

Tamin'ny sabotsy 3 novambra 2018 no tokony natao tao Sambava io fifidianana io fa tsy raikitra satria tsy tratra ny fetr'isa. 15 farafahakeliny ny mpifidy ilaina, izay filohan'ny ligy eto Madagasikara, dia 14 amin'ny 22 no tonga.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.