Kitra: Tsy tratra ny fetr'isa ifidianana filohan'ny Federasiona

  • dimanche, 04 novembre 2018 13:23
  • Britto

Tsy tanteraka ny sabotsy 3 novambra ny fifidianana filohan'ny Federasiona baolina kitra malagasy, natao teto Sambava, noho ny tsy fahatrarana ny fetr'isa.

14 amin'ny 22 ireo filohan'ny ligy, mpifidy, tonga, raha toa ka 15 no takiana farafahakeliny.

Vokatr'io dia ahemotra ny alatsinainy 5 novambra ny fifidianana.

Sivy ny kandida mpifaninana. Niala an-daharana tsy hifaninana taorin'io trangan-javatra io ny kandida Rakotomamonjy André Neypatraiky.

Milaza ny tsy handray anjara amin'ny latsa-bato ihany koa ny filohan'ny ligy Analamanga.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.