Oniversiten’Antananarivo: Mpianatra manana bakalorea 10.000 no ho raisina

  • lundi, 22 octobre 2018 19:14
  • Britto

Nanazava ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Pr Ramanoelina Panja, fa 10.000 eo ihany no toerana afaka andraisana ireo mpianatra vao afaka nahazo bakalorea, mikasa ny handrato fianarana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Mitsinjara amin’ireo sekoly manokana izay fifaninanana no idirana ao aminy, ao koa ny fianarana ho mpitsabo sy siansa izay fisivanana naoty no idirana, ary ny fakiolte.

Hisy ny “Salon des étudiants” hotanterahina eny Ankatso manomboka amin’ny 24 oktobra izao, hampahafantarana sy hanoroana an’ireo tanora manana bakalorea, ireo lalampiofanana misy sy azo arahana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.