Morarano Gara: Telo mianaka naratra mafy notifirin'ny jiolahy

  • lundi, 22 octobre 2018 17:54
  • Britto

Teo ampisakafoanana hariva, tokony ho tamin'ny valo ora sy sasany, no nanao amboletra niditra tao amin'ny tokantrano iray teto Morarano Gara ireo jiolahy roa, mitam-basy ny iray.

Vao nahita azy ireo ny tovolahy kely folo taona eo dia niezaka nisambotra ilay basy teny an-tanan'ilay jiolahy. Nitifitra ity farany sady nanao tari-dositra nivoaka ny trano.

Telo mianaka no naratra nipitihan'ny firitiky ny bala. Zaza tsy ampy taona ny roa tamin'ireo naratra. Nentina ao Moramanga izy ireo hotsaboina.

Tsy nisy zavatra very.

Fianakaviana tantsaha, omby vavy be ronono iray no ompiany, ity lasibatra ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.