Antsirabe: Maty nihantona tamin'ny tamboho ny zanaky ny mpanakanto Mami Basta

  • dimanche, 21 octobre 2018 18:39
  • Britto

Ny reniny, handeha hivavaka maraina androany alahady 21 oktobra no nahita ity zanak'izy ireo faralahy, nifatotra fehikibo ny tendany nihantona mikiraviravy teo amin'ny tamboho.

Mbola nisy aina ilay tovolahy tamin'io nahitana azy io. Nifamonjena nentina namonjy hopitaly saingy tsy tana ny ainy.

Mbola nifampiresaka izahay mianaka halina, hoy i Mamy Basta. Tamin'ny 11 alina, taorian'ny vavaka hariva fanaon'ny fianakaviana vao samy namonjy efitranony avy natory.

Izaho no nanidy ny vavahady, hoy hatrany i Mamy Basta. Gaga izy ireo fa nivaha ny gadana manidy azy.

23 taona ity tovolahy ity. Sady miasa no mianatra. Tsy mba misotro toaka, hoy ny fianakaviana. Akanjo fitondra matory no teny an-kodiny tamin'ny nahitana azy. Fehikibony ihany no nifatotra tamin'ny tendany. Tsy lavitra azy teo ny kapany. Nahitana tavoahangy toaka ihany koa.

Eo ampanaovana fanadihadiana ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana hamantarana ny marina sy izay mety ho tompon'antoka tamin'izao fahafatesana izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.