Bakalorea 2018: 37,69% ny taham-pahafahana taty Toamasina

  • samedi, 20 octobre 2018 19:33
  • Britto

Ny alarobia 17 oktobra tamin’ny 09ora maraina no natao ny “déliberation” ho an’i Toamasina.

Tapaka tamin’izany fa 09,75/20 no noraisina ho afaka bakalorea. Vokany dia nahitana fitomboana 04,63% ny taham-pahafahana raha noharina ny taona lasa, satria 37,69% izany tamin’ity taona ity raha tsy nisy afa-tsy 33,06% izany ny taona 2017.

Tamin’ireo mpiadina niisa 27.446 niala ireo tsy tonga an-jatony dia ny 10.899 no afaka soa aman-tsara ho an’ny bakalorea ankapobeny.

Raha ho an’ny bakalorea teknika sy teknolojika kosa dia nahatratra 42,99% izany ho an’ny voalohany, raha 61,84% izany ho an’ny faharoa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.