Kitra : Mbola andrasana ny fahatongavana an-tanindrazana ny ekipa malagasy

  • lundi, 15 octobre 2018 13:44
  • Tigre

Ity ny fampitam-baovao hita ao amin'ny pejy Facebook fédération malagasy de football FMF nivoaka omaly hariva :

"Araky ny vaovao ofisialy azo avy any Guinee Equatoriale amin'izao fotoana izao dia tsy afaka nanainga ny fiaramanidina manokana tokony hitondra ny Ekipa roa tonta noho ny olana eo amin'ny taratasy fahazoan-dalana hisidina ny habakababaky Tanzania.

Na dia azo lazaina fa tompon'andraikitra feno amin'izany aza ry zareo Guineana, dia efa miara-misalahy mitady vahaolana miaraka aminy kosa ny FMF avy aty Madagasikara amin'izao fotoana izao, mba ahafahan'ny fiaramanidina ho tonga haingana.

Na misy aza izany sakantsakana rehetra izany dia azo antoka, araky ny vaovao azo avy any an-toerana fa ambony tanteraka ny moralin'ny Malagasy mandra-piandry ny ahafahan'ny fiaramanidina miainga.

Ho ampitaina amintsika miandalana ny vaovao".

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.