Fifidianana: Hamory ireo kandida ny CENI

  • vendredi, 12 octobre 2018 08:31
  • Britto

Rahampitso sabotsy 13 oktobra no voatondro hisian'io famoriana io. Kandida filoham-pirenena miisa 17 amin'ireo 36 no voalaza fa efa namaly ny ho avy amin'izany.

Voakihana ny CENI mikasika ny lisi-pifidianana. Hisy rahateo amin'ity anio ity andiana kandida hanatitra fitarainana eny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana amin'ny tokony hanokafana ny lisi-pifidianana hampidirana ny anaran'ireo olom-pirenena feno taona sy afaka mifidy nefa tsy tafiditra anaty lisitra.

Etsy ankilany, ny CENI dia namaky bantsilana ny tsy fanarahan-dalana ataon'ireo kandida, toy ny tsy fanaovan'izy ireo fampilazana sy fangatahana fahazoan-dalana hanao fampielezan-kevitra nefa tokony hatao 48ora mialoha izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.