Soaloka-Miandrivazo: May ny birao sy fitaovam-pifidianana

  • jeudi, 11 octobre 2018 19:25
  • Britto

Kaominina any amin'ny ilany avaratra andrefan'i Miandrivazo, ary voasokajy ho faritra mena anjakan'ny dahalo i Soaloka.

Misy mpitandro filaminana mampandry tany any an-toerana amin'izao fotoana. Misy manafina ireo olon-dratsy.

Nisy fandorana tanàna voalaza fa fieren'ireo olon-dratsy. May tao anatin'izany ny biraom-pifidianana sy ireo kojakojam-pifidianana.

Noho ity Kaominina ity alavitra sady saro-dalana dia efa nalefa mialoha any ireo fitaovam-pifidianana, nefa izao may izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.