Fampielezan-kevitra: Manomboka hafahafa

  • jeudi, 11 octobre 2018 15:47
  • Britto
  • Sary nindramina

Voasiotsioka tao Mandoto, nokorontanin'ny omby tao Mahasoabe, voasakantsakana tao Ambalavao Tsienimparihy ny kandida Hery Rajaonarimampianina omaly.

Misy mandrovitra ankitsirano ndray ny afisin'ireo kandida sasany eny amin'ny takelaka natokan'ny CENI ho amin'izany.

Mahazo fandrahonana ireo olontsotra mametraka sarin'ny kandida tohanany amin'ny tranony.

Ny kandida sasany tsy mbola nahazo alalana hampiasa helikoptera hatreto.

Santionany amin'ny tranga misy ireo, efatra andro nanombohan'ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana filoham-pirenena hatao ny 7 novambra 2018.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.