Kandida Orlando: Nijoro vavolombelona tamin’ny loza nanjo azy

  • mardi, 09 octobre 2018 12:08
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Sambava

Fitahian’i Tompo no tsy nahafaty anay, ka eto tiako ny milaza amin’ny vahoaka Malagasy fa tsy misy atahorana tsy akory izahay efatra niharan-doza ny alin'ny sabotsy raha avy namita fifanakalozan-kevitra niaraka tamin’ireo mpandraharaha tany Antalaha, ka raha hiditra tao Faralahana no indro fiara lehibe iray nirimorimo fandeha no nidona tamin’ny fiara nitondra anay.

Nentina Urgence taty amin’ny hopitaly izay akaiky indrindra 20Km mahery dia nivantana tamin’ny tobim-pahasalamana tsy miankina, indrisy anefa fa tsy nisy dokotera, dia voatery nafindra haingana tany amin’ny hopitalim-panjakana CHRR Besopaka Sambava.

Niaraka nifarimbona izy ireo nanao ny asa fa indro kely niasa tao anaty haizina izy ireo fa tratry ny delestazy ny hopitaly ary tsy misy ny fanafody.

Amin’izao dia voatery hiakatra any an-drenivohitra haingana satria tsy misy fitarafana (radio) indray ny eto Sambava.

Mampalahelo ahy ihany koa, hoy ity kandida ity, fa na ny mpampily, na ny tompon'ny fiara kamiao izay nandona anay dia tsy nisy na mba fijerena ny fahasalamanay rehetra hatramin’izao hiakaranay any Antananarivo izao.

Niainga ho any Antananarivo hanohy ny fitsaboana ny kandida Orlando Robimanana sy ireo niaradia taminy izay naratra.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.