Orlando Robimanana: Hiazo an'Antananarivo anio

  • lundi, 08 octobre 2018 13:18
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Sambava

Hiainga anio amin'ny 4ora tolakandro eto Sambava hiazo an'Antananarivo ny kandida Orlando taorian'ny loza nanjo azy.

Ny sabotsy tamin’ny 7ora hariva teo no tra-doza tampoka izy rehefa avy namita iraka tany Antalaha, izay nitafany tamin’ireo mpandraharaha lavanila momba ny antom-pilatsahany ho kandida filoham-pirenena.

Fiara 4X4 nofaina avy eto Sambava izay nitondra azy no nidona tamin’ny kamiao tamin’ny lalana mody ho aty Sambava tamin’izany dia tao Andranojoby Fokontany Antsaborara Kaominina Farahalana.

Izy sy ny mpiambina azy no nisy faharatrana .
Avy hatrany, niaraka nandray an-tanana haingana ireo tao amin’ny urgence CHRR Besopaka Sambava ary efa nivoaka ihany omaly Alahady.

Ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena no nandray an-tanana ny fanadihadiana ny mety antony nahatonga ny loza, fa ny fahapotehan'ny fiara dia nisinisy ihany, ary somary latsaka tamin’ny ankavanan-dalana ao anaty fiolahana ny 4X4 nitondra azy rehefa nidona tamin’ny kamiao.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.