Sambava: Tazomina am-ponja vonjimaika ny Benin’ny Tanàna Kaominina Ambonivohitra

  • vendredi, 21 septembre 2018 16:01
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Sambava

Io atoandro io vao vita ny famotorana ireo olona enina mitazona andraikitra ambony ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Sambava, tao amin'ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Antalaha hatry ny omaly 20 Septembra 2018.

Mialohan’io dia efa nisy ny famotorana nataon’ny Bianco Antsiranana sy ny Tahirimbolam-panjakana ny mpiasa rehetra tao, fa ny Chef de service Financier no nandositra ka tsy hita mandraka androany.

Resaka fanodinkodinana volam-bahoaka no anton'izao rehetra izao raha atao bango tokana.

Dia io atoandro io nivoaka ny didy savaranonandon'ny Fitsarana Ambaratonga voaloany Antalaha fa midoboka am-ponja vonjimaika 8 volana ny Benin’ny Tanàna ary ny Comptable ny Commune sy Percepteur vehivavy ny iray, fa ny telo hafa kosa nahafahana dia ny SG ary percepteur roa.
Aorian’io valo volana io amin’izay vao hatao ny fitsarana azy ireo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.