Ambatondrazaka: Zaza efa ho teraka, nariana tao anaty tatatra

  • mardi, 18 septembre 2018 22:57
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Ambatondrazaka

Olona sendra nandalo maraina no nahita harona “sachet” mihoson-dra tao anaty lakandrano. Nampandre avy hatrany ny manodidina izy, toy izany koa ny tomponandraikitry ny Fokontany Atsimondrova sy Avaradrova ary ny mpitsabo sy ny mpitandro ny filaminana.

Rehefa nosavaina ilay harona “sachet” dia zazavavy kely no tao, araka ny fizahana nataon’ny mpitsabo dia zaza efa niandry andro hahaterahana ity nisy nanary ity.

Tsy mbola fantatra ny reny, sy izay mety ho mpiray tsikombakomba taminy ka nahavanona ity loza ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.