Antalaha: Natolotra ny Fitsarana ireo mpanabe tsy nahatontosana ny fanadinana CEPE farany teo

  • mardi, 18 septembre 2018 19:29
  • Britto

Niisa efatra izy ireo no natolotra ny Fitsarana ambaratonga voalohany teto Antalaha androany maraina, dia ny “responsable pré-scolaire” ato amin’ny DREN SAVA, izay nosamborin’ny Zandarimaria omaly tolak’andro raha iny namonjy toeram-piasany iny, ary notazomina vonjy maika avy hatrany.

Ny Chef ZAP ary ny Talen’ny CEG Anjagnoveratra kosa dia nilaza fa tsy nahazo “convocation” momba ny fanadinana CEPE fa ny Ben’ny Tanàna lefitra no nanaterana ny “convocation” rehetra na ho an’ny mpianatra na ho an’ireo tompon’andraikitra momba izany fanadinana izany.

Tsy tanteraka ny 14 aogositra 2018, datin’ny fanadinana nanerana ny Nosy ny CEPE tao Anjagnoveratra, ka nahemotra tamin’ny 28 aogositra vao tontosa ny fanadinana CEPE manokana. Foibem-panadinana niisa 15 no nanaovana io fanadinana manokana io, dia ny Anjagnoveratra Cisco Sambava, ary tany amin’ny Cisco Anosibe an’Ala ny 14 hafa.

Nisy mpiadina voasoratra anarana 764 tao amin’ny foibem-panadinana Anjagnoveratra. Tonga niatrika fanadinana ny 637, tsy tonga ny 123.

Nivoaka tamin’ny 03 septambra 2018 ny voka-panadinana ka 365 no afaka CEPE tamin’izany.

Andrasana ny mety ho fanapahan-kevitry ny fitsarana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.