Lisi-pifidianana: Niampy ireo nodidian’ny Fitsarana fa hampidirina

  • jeudi, 13 septembre 2018 08:48
  • Britto

Na efa nikatona tamin’ny 15 mey 2018 aza ny lisi-pifidianana hampiasaina amin’ny fifidianana ho avy, dia mbola nisisika ireo mpifidy hadino, ka nanao fitarainana teny amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ary nahazo « ordonnance ». 

Nisy 23 159 izy ireo no nodidian’ny Fitsarana, ho fampiharana ny Didy hitsivolana 2008-008 tamin’ny 11 mey 2018, hampidirina anaty lisi-pifidianana.

Rehefa natao ny fanadiovana ireo anarana niverimberina tao anaty lisi-pifidianana dia 10 280 no niampy tamin’ny isan’ny mpifidy, ka lasa 9 913 599 no voasoratra ao anaty lisi-pifidianana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.