Sambava: Lehilahy iray maty tampoka teo ampampiadiana akoho

  • mardi, 11 septembre 2018 19:29
  • Britto

Nifamotoana ny tia adin’akoho teto Sambava ny alahady teo. Ho ampidirina anaty banja ny akohon’Abdalah antsoina hoe : “Peta-tsanga patte blanche”. 20.000Ar ny loka. Ao, hoy izy, izaho mihitsy no hiditra mpitsara ary hitazona ny famataran’andro.

Vao hanomboka anefa ny lalao dia teo izy no nitambosotra ka nifandrobahana nentina teny amin’ny SALFA Loterana Ampandrozonana, saingy teny an-dalana dia tapitra ny ainy.
Dia nanjombona ny tontolon’ny fampiadiana akoho teto Sambava.

Naterina eny an-trano fonenany Fokontany Soavinandriana Sambava ny razana. Mpamily ny asan’i Abdalah fahavelony.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.