Sambava: Fiara 4x4 tsy nisy mpamily nivarina an-kady

  • jeudi, 06 septembre 2018 12:34
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Sambava

Akory ny hatairan’ireo mpivarotra teny amin’ny tsena Antaimby androany tamin’ny fito ora sy sasany maraina, raha nahita ity fiara 4X4 ity avy nanatona azy ireo, kanjo tsy nisy mpamily ny tao anatiny fa nikisaka mora ihany ary tsy nisy nahatazona azy ka nivarina an-davaka teny amin’ny sisin-dalana niafarany.

Raha ny angom-peo teny an-toerana dia sendra nivoaka nividy zavatra ny mpamily dia tsy nampiasa “frein à main” izy ka izay no mety ho antony nahatonga ny loza. Tsy nisy naratra fa samy nitsoaka nanavotra ny ainy ny mpivarotra teny amin’ny sisin-dalana.

Tapaka tao anatin’ny 30min ny fifamoivoizina noho ity tranga ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.