Fianarantsoa: Tovolahy roa nisandoka nandritra ny fanadinana BEPC

  • jeudi, 06 septembre 2018 09:22
  • Britto

4 hetsy Ariary ny nanaraman'ny tovolahy iray nisoratra anarana tamin'ny fanadinana BEPC ny namany izay tonga niatrika izany amin'ny toerany ny alatsinainy lasa teo.

Niakatra Fampanoavana omaly alarobia ihany ny raharaha teto Fianarantsoa. Nampidirina am-ponja vonjy maika izy roa lahy tamin'ny vesatra fampiasana hosoka sy fisandohana.

Ny 13 septambra ho avy izao no hiatrika fitsarana izy roa lahy.

Raha ny fampahafantarana azo avy amin'ny mpiasan'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany hatrany dia tanora 24 taona sy 25 taona ireo nisandoka nandritra ny fanadinana BEPC ireo. Nambaran'ny tovolahy naniraka fa ny azahoana io diplaoma io mba hoentina miatrika fifaninana fidirana ho mpiasam-panjakana no antony nanaovany izany teti-dratsy izany.

Teo ampisavàna ny kara-panondro nandritra ny andro voalohan'ny fanadinana no nahatonga ny ahiahy momba ilay tanora tsy nisoratra anarana tonga hiatrika fanadinana.

Natolotra ny mpitandro filaminana ny raharaha ka ny fari-piadidim-pampianarana eto Fianarantsoa no mitondra ny fitoriana eny anivon’ny fitsaràna.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.