BEPC- Amboangibe: Teo am-pandriana ilay tovovavy no nanohy ny fanadinana

  • mercredi, 05 septembre 2018 14:13
  • Britto

Vao misasaka ny laza adina matematika omaly maraina dia nisy ankizivavy iray narary tampoka ka nifandrobahana nobataina nentina nivoaka ny efitrano fanadinana, ka nafindra tao amin’ny tranon’ny Surveillant izay mba akaiky ny foibem-panadinana.

Sady miaritra marary ilay tovovavy no nitomany mafy nangataka fa hanao izay faraheriny hanohy ny laza adina na efa adiny iray taty aoriana nanombohana aza.

Nidinika haingana ireo tompon’andraikitra ka nanaiky fa hohaterina eny aminy ambony fandriana ny laza adina mba hahafahany nanohy fa nomena mpanara-maso roa izy nandritra izany.

Tranga tao amin’ny centre Amboangibe-Sambava

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.