Vokatry ny krizy toe-tsaina: Zaza menavava telo mianadahy no nisy nanary

  • lundi, 03 septembre 2018 22:33
  • Britto

Zazalahy kely vao teraka mbola miaraka amin’ny tadim-poitra no nisy nanary teo amoron-dalana tao Ambohipeno, Kaominina Amparafaravola ny faran’ny herinandro teo.

Nahohoka ilay zaza sady nototofana fasika. Nisy feon-jaza mitomany ao anatiny henon’ny olona saingy somary vahotra ny manodidina ny hivoaka noho ny tsy fandriam-pahalemana.

Maro no nihevitra fa fandrika ataon’ny jiolahy io ka dia samy namitsaka tany an-tranony avy ny rehetra. Renim-pianakaviana iray sendra nandalo ny ampitso maraina no nahatsikaritra io zaza io ka nitondra azy avy hatrany tany amin’ny tobim-pahasalamana.

Velona soamantsara ankehitriny ilay zazalahy kely ary dia nangatahan’io renim-pianakaviana io mba hosoratana aminy.

Fa ankoatra zay nisy zaza kambana ihany koa nisy nanary tamin’io herinandro lasa teo io, mbola tao Amparafaravola ihany. Efa ny fiainana tokoa ve no sarotra sa ny toe-tsainan'ny Malagasy no miha simba ka zary manao tao foana, tsy manaja intsony ny soa toavina fahiny.

Nambara fa harena ny zanaka tany aloha, ankehitriny zary toa heverina ho enta-mavesatra ka atao tsinotsinona.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.