Mahajanga: Voasambotra indray ilay gadralava amin’ny fanafihana mitam-piadiana

  • dimanche, 02 septembre 2018 17:17
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Andro vitsy taorian'ny fanafihana mitam-piadiana nahafatesana olona roa niseho teny Ambalavola ny zoma heriny lasa teo, saron’ny polisy i Dadafara, tovolahy 23 taona anisan’ny nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana niaraka tamina 3 lahy hafa izay mbola karohina fatratra.

Teny Aranta no nahasaronana ity jiolahy raindahiny ity, jiolaly izay efa gadralava kanefa izao mbola mamerin-keloka izao indray. Resaka fanafihana mitam-piadiana ihany koa no efa nampigadra azy, ary vao tsy ela akory izy no nahavita ny saziny dia izao mamerina izao sahady.

Ny alakamisy 30 aogositra no niakatra Fampanoavana ny raharaha ary manaraka izany akaiky ny mponin’i Mahajanga.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.