Morondava: Trano hazo iray nirehitra « court-circuit »

  • dimanche, 02 septembre 2018 14:43
  • Britto

Niverina tampoka ny jiro. Tsy nahazaka ny tariby mitondra herinaratra tao amin’ilay trano iray vita amin’ny hazo miorina teo Tanambao ka nitsonika ary niteraka ankosonaratra (court-circuit) niandohan’ny afo. Nirehitra ny trano.

Ny alin’ny sabotsy hifoha ity alahady 2 septambra ity no nitrangan’ny loza teto an-drenivohitry ny faritra Menabe. Tsy tongan’ny fiaran’ny mpamonjy voina ilay toerana, fa tsy mahazaka ny tetezana. Tsy nisy aina nafoy na koa naratra.

Miaina delestazy i Morondava noho ny tsy fahampian’ny solika. Adin’ny 12 amin’ny 24 ora no misy jiro sy rano eto an-tanàna.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.