Fifidianana 2018: Niampy telo ireo kandida nanatitra taratasy firotsahan-kofidiany

  • vendredi, 10 août 2018 20:19
  • Britto

Dr Jules Étienne Rolland (Madagasikara Fivoarana), Rasolofondraosolo Zafimahaleo dit Dama Mahaleo (Manajary Vahoaka) ary Rabary Andrianiaina Paul (MIASA). Ireo no kandida telo nanatitra antontan-taratasy firotsahan-kofidiana teny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana androany.

Raha efa samy nanao fanambarana fa ho kandida iretsy roa voalohany dia ity fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana androany ity no namaly ny ankamantatra fa ho kandida tokoa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha Paul Rabary ary hamafisiny amin'ny horonantsary fohy ao amin'ny pejy fesibokiny izany.

Fito izao no nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana teny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana nanomboka ny 1 aogositra. Amin'ny 21 aogositra 2018 amin'ny 5 ora hariva ny fara-fandraisana dosie eny Ambohidahy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.