Dr Jules Etienne Rolland: Tonga nametraka ny ampahan’ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany teny amin’ny HCC

  • vendredi, 10 août 2018 13:53
  • Britto
  • Sary Net

Androany zoma 10 aogositra misandratr’andro ity minisitry ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina tao anatin'ny governemanta Kolo Roger ity, sy ny “mandataire” no tonga nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana Ambohidahy.

Manana hatramin’ny 21 aogistra amin’ny 5ora hariva ity kandidan’ny antoko MAFI (Madagasikara Fivoarana) ity hamenoany ny dosie tsy feno.

15 isa ireo antontan-taratasy ilaina, ka atao dika anakiroa miampy ny lisitr’ireo taratasy rehetra, mandrafitra ny dosie firotsahan-kofidiana ho an’ny fifidianana filoham-pirenena.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.