Ambovombe - Androy: Ambohimpihaonan’ny tanora anio

  • vendredi, 10 août 2018 13:45
  • Britto

Hankalazaina aty an-toerana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tanora. Hetsika izay karakarain’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena.

Ity fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tanora na JIJ ity dia iray amin'ireo fomba lehibe hanavaozana ny fanoloran-tenan'ny olom-pirenena tsirairay ho an'ny tanora. Tahaka ny isan-taona, ny 12 aogositra, ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia manamafy indray ny fanoloran-tenany hampandroso ny tanora amin'ny ambaratonga rehetra amin'ny fankalazana ny JIJ.

Hetsika maro no efa notanterahina nialoha ny fankalazana ofisialy, niarahana tamin'ireo mpiara-miombonantoka toy ny Vondrona Iraisam-pirenenan'ny Asa, ny Ministera ny Indostria sy ny Fampandrosoana ny Sehatra tsy Miankina, ary ny fanohanan'ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.