Californie: Efa ho 1 volana tsy maty ny afo mandoro ala sy trano

  • jeudi, 09 août 2018 09:52
  • Tigre
  • Sary Net

Mpamono afo mahatratra 14 000 amin'izao no miady amin'ny afo mandoro ny ala sy ny trano maro ao Californie Etats-Unis efa ho iray volana izao. Mifanome tanana amin'izany i Australie, Nouvelle-Zélande, ary miasa avokoa na ny fiaramanidina mpamono afo na ireo fiara vaventy an-tanety, fa dia tsy mahasakana ny afo, izay mandoro ala efa 120 000 ha hatreto.

Manampy trotraka ihany koa ny hafanana any an-toerana, ka ny 34% n'ny afo hatreto no maty.
Tazana eny amin'ny station spatiale eny anabakabaka lavitra eny mihitsy aza moa ity afo ity.

Olona 07 hatreto no voalaza namoy ny ainy, ankoatr'ireo trano marobe nirehitra.

Misy ny olona efa voasambotra ahiana nanao izao asa ratsy izao.

 

(Jereo sary Tohiny)

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.