Côte d'Ivoire: Nahazo famotsoran-keloka i Simone Gbagbo

  • mercredi, 08 août 2018 20:17
  • Tigre
  • Sary nindramina Jeune Afrique

Nivoaka ny fonja anio alarobia 08 aogositra, notanana azy nandritra ny 7 taona tao Côte d'Ivoire, i Simone Gbagbo, vadin'i filoha teo alohan'ny Côte d'Ivoire Laurent Gbagbo, nandritra ny ady nisy taorian'ny fifidianana ho filoham-pirenena nahalany an'i Alassane Ouattara.

Nizotra avy hatrany tany antranony izy, ary feno mpiara-mitolona nitsena azy.

I Laurent Gbagbo vadiny moa dia mbola voatana any La Hay, fitsarana iraisam-pirenena, ary mbola tsy nivoaka ny didy raikitra momba azy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.