Tolagnaro: Tsy azo tsenaina ilay minisitra fa adversera ?

  • mercredi, 08 août 2018 15:53
  • Britto

Ho avy aty Tolagnaro, rahampitso 9 aogositra, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny haivoary ary ny ala, izay lehiben’ny Faritra Anôsy teo aloha no zanaky ny faritra rahateo, Randriatefiarison Guillaume Venance. Misy baiko milatsaka sahady re, fa tsy azo tsenaina ity minisitra amperinasa ity, satria avy amin’ny mpanohitra ny fitondrana.

Misy hamorona “mission” mihitsy aza fa tsy hitsena, no tsy hanatrika ny zavatra hataon’io minisitra io eto Tolagnaro, izay atrikasa mahakasika ny tontolo iainana, miaraka amin’ny fampiratiana an-trano heva mifandraika amin’izany.

Avy amin’ny VPM-MMM, antoko tarihin’i Hajo Andrianainarivelo, izay manohana an’i Andry Rajoelina amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny minisitra Randriatefiarison Guillaume Venance.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.