Sambava: Dahalo raindahiny navotsotra, naharomotra ny vahoaka

  • mercredi, 08 août 2018 15:18
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Sambava

Nikasa hidina an-dalambe hilanja ny sorabaventy niazo ny tobin’ny Zandary Sambava ireo vahoaka avy ao amin’ny Fokontany Soavinandriana, tsy faly noho ny namotsorana dahalo raindahiny iray, izay nanafika sady nandroba lavanila 25kg sy volam-piangonana 2 tapitrisa Ariary.

Ny sabotsy 4 aogositra no natolotra ny mpitandro ny filaminana rehefa voasambotry ny Fokonolona nefa ny alahady ampitson’io dia navotsotra.

“Tsy maintsy voasazy izay Zandary namotsotra an'io dahalo io”, hoy ny Commandant de Compagnie Sambava Raharimandina Maguy izay niangavy ny olona ho tony sy hifampatoky ka hifanome tanana hatrany hamongorana ny olon-dratsy satria mbola miriaria miaraka amin’ny basy any ireo naman’ity dahalo ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.