Governemanta: Mpikambana roa no nanao fanambaram-pananana

  • jeudi, 19 juillet 2018 14:12
  • Britto

Mpikambana roa ao anatin’ny governemanta Ntsay Christian ihany hatreto, iray volana sy herinandro taorian’ny nanendrena azy ireo, no nanao fanambaram-pananana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana dia ny Praiministra lehiben’ny Governamanta, izay nanao izany ny 09 jolay 2018 sy ny minisitry ny tontolo iainana sy ny haivoary ary ny ala, Randriatefiarison Guillaume Venance, nametraka ny azy omaly alarobia 18 jolay.

Ny lalàna 2016–020 tamin’ny 22 aogositra 2016 no manery ny tomponandraiki-panjakana sy olomboafidy tsy maintsy manao fanambaram-pananana izay havaozina isaky ny roa taona, raha havaozina isan-taona izany taloha araka ny lalàna 2004-030 tamin’ny 9 septambra 2004.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.