Fianarantsoa: Vonona ny handray ny filoha mpitarika azy ny TGV eto an-toerana

  • jeudi, 12 juillet 2018 21:58
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Notanterarihana tao amin'ny Espace Royal Bateravola ny tolakandron'ity alakamisy 12 jolay ity ny famoriana ireo sampana mpanaradia ny antoko TGV ifotony.

Ny biraon'ny mpikambana mpanorina ny antoko eto amin'ny farintany no nitarika ny fotoana.

Fantatra tao anatin'izany fa eto Fianarantsoa no hamaranan'i Andry Rajoelina ny fitsidihana faritra izay tanterahiny amin'izao fotoana izao.

Nambata teto ihany koa fa ny 01 aogositra ho avy izao no hanatanterahana ny kongresy nasionalin'ny antoko ao an-drenivohitra.

Nisy ny lamina manonkana ho fametrahana ny mpitarika vaovao sy mahomby eny anivon'ny Fokontany sy isan-tokony.

Nampafantarina nandritra io fivoriambe io ihany koa ny fanomezana akanjo ho an'ireo zazalahy hisitraka ny famorana faobe maimaimpoana izay hotanterahina ao amin'ny distrikan'Isandra manomboka ny datin'ny 13 jolay.

Natolotra teto ankoatr'izay ny sampana miandraikitra ny fampahalalana ny vina IEM eto Fianarantsoa.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.