Antsirabe: Nidina an-dalambe ny mpampianatra sy ny ray aman-drenin'ny mpianatry ny Lisea Teknika

  • jeudi, 12 juillet 2018 15:11
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Tsy afa-po amin'ny fitakiana nataony ireo mpampianatry ny Lisea Teknika Antsirabe ka nidina an-dalambe ny andron'ny alakamisy 12 jolay 2018. Nialoha an'io moa dia nisy ny fivoriana niarahana tamin'ireo ray aman-dren'ny mpianatra nanazavana ny tolona ataon'ny mpampianatra ka nahatonga ireo ray aman-dreny nanohana ny hetsiky ny mpampianatra io.

Nifanindran-dalana tamin'ny fitsidihan'ny minisitry ny fampianarana ara-teknika ary ny fampiofanana arak'asa, Rahantasoa Lydia Aimée, ny fitsidihana ny fotodrafitrasa ataon'ny Maraokanina eto Antsirabe, ka nanantena ny hihaona amin'ny Minisitra ireo mpampianatra sy ny ray aman-dreny, saingy niova na novaina ny fandaharam-potoanan'ny Minisitra, ka nilaozany indray ireo Talen-tsekoly efa nomanina hihaona aminy, izay teo amin'ny biraom-paritry ny fampianarana teknika.

Hitohy ny tolona hoy ireo mpampianatra ka hisy hetsika goavana indray ny Alatsinainy izao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.